Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
PAROISSE SACRE-CŒUR - AMBATONDRAZAKA

Vaovao mahafinaritra ! Mba hahafahantsika miserasera hatrany na eto an-toerana isika na any lavitra dia nosokafana ny Blog « Paroisse Sacré-Cœur Avaradrova – Ambatondrazaka – Madagascar ! Hararaotina ny andro anio Alahady 08 mai 2016, anokafantsika azy mba hiombonantsika amin’ny Fiangonana maneran-tany izay manokana ity andro anio ity ho « ‘ANDRON’NY SERASERA » ! Araka izany, Manasa antsika rehetra kristianina tsy vakivolo àry, hijery sy hamangy ny Site-ntsika mba : - hifaneraserana sy hifampilazana vaovao - Hifampilazana ny toro-hevitra mety hahasoa sy hanatsarana ny Fiangonantsika ary - Hiainana sy handraisana anjara feno tanteraka amin’ny Fiainam-Piangonana na dia tsy eto an-toerana aza isika! Aza hadino koa ny mamangy sy mampiaina ilay “Compte FaceBook”-ntsika: 1. Zanaka am-pielezan’ny Paroisse Sacré-Coeur Avaradrova Ambatondrazaka 2. Paroisse Sacré-Coeur Avaradrova Ambatondrazaka izay hosokafantsika koa hanamora ny fanarahantsika ny fiainam-piangonana isan’andro ! Dia samia àry mamelona sy mampiaina ireo Sites-ntsika ireo isika rehetra ho an’ny « Nouvelle évangélisation » araka ny fangatahan’i Ray Masina François ! Mandrapihaona vetivety !!!

NY MARESAKA ETO AMIN’NY FIANGONANTSIKA

FANDRAISANA SY FIARAHABANA PRETRA TRINITERA VAOVAO

Miarahaba antsika rehetra indray !  Tsy tara fa mbola vaovao hatrany ê!

Tamin’ny alahady 24 septambra 2017 isika no nandray sy niarahaba ny roa tamin’ireo Pretra Trinitera vaovao  nohamasinina tany Antsirabe tamin’ny 29 Août 2017  teo, dia i Père RAFENOSOA Joachim Vincent sy Père RAKOTOMALALA  Jean Rolland Felix!

Tsapa tamin’io andro io fa zava-dehibe ho antsika tokoa ny fahasoavam-be azon’ny Fiangonana noho ny fanomezany antsika Mpanompon’Andriamanitra vaovao! Tsapa ihany koa ny fifampizarana ny hafaliana noho ny Congrégation Trinitaire, namolavola azy ireo ho tonga amin’izao laharana izao ka tsy hay ny tsy handalo sy hiray fo amintsika Kristianina eto amin’i Paroisse Sacré-Cœur  izay misy ny Aspirantat toeram-panabeazana fototra!

I Père Vincent moa dia voatendry hiasa any Andriamena  fa i  Père Rolland kosa ao Andaingo, toerana lalovantsika isan’andro, aza hadino àry ny mikopakopa-tànana azy rehefa mandalo!

MIRARY SOA HO AZY IREO ISIKA HAHAVITA BE EO AMIN’NY SAHAN’I TOMPO ary TOHANANTSIKA  AM-BAVAKA HATRANY!

FANOMBOHANA NY TAOM- PIANARANA KATESIZY!

Efa manomboka  ny taom-pianarana Katesizy hoa n’ireo “Zaza mazoto”, ireo ao amin’ny taonan’ny “Fampihavanana” , ireo handray ny  Komonio voalohany, hanao ny “Fanavaozana” ny toky tamin’ny Batemy! Mazoto ery ireo ankizy mampiseho ny fahavononana eo amin’ny famonjena ny Lamesa isaky ny sabotsy maraina!  

VAOVAO!!!

Efa manomboka ny fisoratana anarana ao amin’I Père Curé Manitra ho an’ireo izay te handray ny Sakramentan’ny Fankaherezana  amin’ny VISITE PASTORALE hataon’I Evekantsika amin’iny taona 2018 hiditra iny!

FANDRAISANA NY DIAKRA!

Tsy hadinontsika fa nanana solon-tena isika nanatrika sy nanotrona ny Voady mandrakizay sy ny firosoana amin’ny Laharana maha-Diakra  ireo Relijiozy TRINITERA efa-dahy tany Anosimasina MORAMANGA dia i:

  • Frera RANDRIAMAMPIONONA  Florent Fabien Arsène
  • Frera MAROABOKO Lakie Bonald
  • Frera RALISON  Andriantsoa Marius ary
  • Frera RAKOTOARIMANANA  Tojonantenaina Alain Odon

Isaorantsika Andriamanitra noho ireo Fahasoam-be nomeny antsika tamin’ny nahatratraran’izy efatra mirahalahy izao tanjona lehibe izao, ankinintsika amin’Izy Tompo izy ireo ho tody soa amin’ny Laharana maha-Mpisoron’i Avo indrindra, hifaliantsika mianakavy!

Teo anatrehan’izany dia  isaorantsika  ny Fikambanana TRINITERA  nanome antsika an’i  DIACRE RALISON  Andriantsoa Marius, hiara-hiaina, hiasa eto amintsika , ny marimarina kokoa ao amin’ny Aspirantat, mandritra ny herin-taona! MISAOTRA SY MANKASITRAKA  TOMPO Ô!

Araka izany dia noraisina tamin’ny fomba ofisialy teto amin’ny Fiangonantsika I Diakra RALISON  Andriantsoa Marius!

TSINGERIN-TAON’NY LAMESA VOALOHANY TETO AMIN'I PAROISSE SACRE-COEUR

“ATAOVY IZAO HO FAHATSIAROVANA AHY” !

Tonon’andro tsy azo vonoina eo amin’ny fiainan’ny Kristianin’i Paroisse Sacré-Cœur  -Avaradrova – Ambatondrazaka ny 11 novambra! Io tokoa no andro nanaovana ny Lamesa voalohany teto amin’ny Paroisse tamin’ny 1925, 92 taona lasa izay! Teny filamatra amin’izany ilay hafatr’i Jesoa manao hoe: “Ataovy  izao ho fahahatsiarovana ahy”!

Araka izany, nankalaza io “ Tsingerin-taona” io isika tamin’ny Sabotsy 11 novambra, tamin’ny Lamesa niraisan’ny Kristianina rehetra,  sy ny Alahady 12 novambra 2017 izao. Nangotrokotroka ny Fankalazana ka tamin’ny 1 ora atoandro vao nifarana ny tao am-piangonana raha nanomboka tamin’ny 8ora maraina izany! Maro ireo Sakramenta notanterahina ho Fanomezam-boninahitra ny Fo Masin’i Jesoa! Ary nofidian’ny “Garde d’honneur-n’I Fo Masin’i Jesoa “ koa ny Fiangonantsika sy io andro manan-daza amintsika io mba hanokanana ny Birao mpitarika eto anivon’ny Disezy! Toy izao àry ny antsipirihan’izany:

SAKRAMENTA:

  1. MARIAZY MIARA-MIZOTRA SY NY ANTONTAN’ISA  MANODIDINA AZY:
  • 2 no nanao firosoana ho Katolika
  • 12 ireo mpivady natao soratra ny Sabotsy 11 novambra taorian’ny Lamesa maraina,
  • 13 ny A.P.F. nanana tokantrano nohamasinina tamin’io andro io ka 15 mivady izy ireo!!! ARAHABAINA E! Hombam-pahasoavan’ny Tompo betsaka ho voninahitry ny Trinite Masina! Tamin’ireo tokantrano ireo dia maro no nahazo fahasoavana tombony satria:
  • 5 no natao Batemy tamin’ireo Mpivady,
  • 7 ireo nandray ny Komonio voalohany!
  • 6 no zanaka natao Batemy

Isaorantsika an’Andriamanitra izany rehetra izany! Isaorana koa ireo tompon’andraikitra eto amin’ny Paroisse, indrindra fa i Père Curé Manitra amin’ny fahaizany manentana sy mampirisika ny Kristianina ! Homban’I Tompo fahasoavam-be hatrany anie izy fa mbola be ny miandry! Tsy hadino amin’izany ny Pretra Vicaire, ny Biraon’ny Filan-kevitra, indrindra fa ny Filohan’ny Faritra sy ny Filohan’ny APF!

Rehefa rava ny Fivavahana dia nanao ny “cortège” namakivaky ny tanàna ny Tokantrano voahasina notronin’ireo Kristianina maro niarka tamin’ny fiara sy moto!

  1. SAKRAMENTAN’OLO-TOKANA ANKOATR’IREO:
  • 6 no natao Batemy sy nandray ny Komonio voalohany
  • 5 kosa no nandray ny Komonio!

Fahasoavam-be araka izany no azon’ny Fiangonana koa isaorantsika Azy Tompo! Adidintsika Kristianina rehetra kosa no manohana am-bavaka azy ireo sy mitantana ary manaitaitra mba havitrika sy hiaina ny tena fiainam-panahy marina araka ny finoana Katolika izy ireo!

FAMETRAHANA NY « GARDE D’HONNEUR DU SACRE-CŒUR DE JESUS » eto anivon’ny Diosezy !

Nofidian’ny Mpikambana ao amin’ny « Garde d’Honneur-n’i Fo Masin’i Jesoa » eto amin’i Diosezy ny Paroisse Sacré-cœur hanaovana ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny Fikambanana eto anivon’ny Diosezy. Tonga nanatanteraka izany tamin’io andron-danonana ho antsika io ny solon-tena ao amin’ireo Birao Nasionaly !

Napetraka ary notsofin-drano àry :

  • Filoha eo anivon’ny Diosezy: Atoa Sylvain ANDRIANARIMANANA  avy eto amin’i Sacré-Cœur miaraka amin’ Atoa ABEL avy ao amin’I Paroisse Notre-Dame du Bon remède, Rtoa Hortense, Paroisse Trinite Masina,
  • Mpitantsoratra: Atoa Hervé ANDRIATSILAVO, Paroisse Sacré-Cœur
  • Mpitahiry vola : Atoa  Jacob sy Atoa HERILALA
  • Zélateur/Zélatrice: Atoa MANAMANDIMBY Tahina sy Rtoa RALALASOA Bernadette samy avy eto amin’i Sacré-Cœur avokoa!

Mirary azy ireo hahavita be isika ary enga i Fo Masin’I Jesoa hamaly ny vavaka hampiroborobo ny fanajana sy ny fampodian-kaja azy eto amin’ny Diosezy sy eran’ny Nosy!

 

VAOVAOM-PIANGONANA:

  • Tsy hisy lakolosy maneno intsony ny maraina raha tsy amin’ny fotoanan’ny Angelus alohan’ny hanombohan’ny Lamesa!
  • Nanomboka tamin’ny alahady 19 novambra teo ny fisoratana anaran’izay te hanao ny  Batemin-jaza ary mifarana ny 02 desambra izany satria efa fiofanana ny 03 desambra
  • Averina: misoratra anarana ao amin’I Père Curé izay handray ny Sakramentan’ny Fankaherezana amin’ny  “Visite pastorale” 2018.
  • Aza hadino fa Hamarana ny taona litorjikan’ny Fiangonana isika ny Alahady 26 novambra ho avy izao: FETIN’I KRISTY MPANJAKA!

Miomana sahady àry isika dieny izao hiaina ny  fandraisana ny Fety fankalazana ny nahaterahan’i Mpamonjy, dia ny fiainam-panahy vonona miaina ny FIAVIANA na ny AVENT!

Mirary soa tanteraka ho antsika rehetra!!!

Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article