Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
PAROISSE SACRE-CŒUR - AMBATONDRAZAKA

Vaovao mahafinaritra ! Mba hahafahantsika miserasera hatrany na eto an-toerana isika na any lavitra dia nosokafana ny Blog « Paroisse Sacré-Cœur Avaradrova – Ambatondrazaka – Madagascar ! Hararaotina ny andro anio Alahady 08 mai 2016, anokafantsika azy mba hiombonantsika amin’ny Fiangonana maneran-tany izay manokana ity andro anio ity ho « ‘ANDRON’NY SERASERA » ! Araka izany, Manasa antsika rehetra kristianina tsy vakivolo àry, hijery sy hamangy ny Site-ntsika mba : - hifaneraserana sy hifampilazana vaovao - Hifampilazana ny toro-hevitra mety hahasoa sy hanatsarana ny Fiangonantsika ary - Hiainana sy handraisana anjara feno tanteraka amin’ny Fiainam-Piangonana na dia tsy eto an-toerana aza isika! Aza hadino koa ny mamangy sy mampiaina ilay “Compte FaceBook”-ntsika: 1. Zanaka am-pielezan’ny Paroisse Sacré-Coeur Avaradrova Ambatondrazaka 2. Paroisse Sacré-Coeur Avaradrova Ambatondrazaka izay hosokafantsika koa hanamora ny fanarahantsika ny fiainam-piangonana isan’andro ! Dia samia àry mamelona sy mampiaina ireo Sites-ntsika ireo isika rehetra ho an’ny « Nouvelle évangélisation » araka ny fangatahan’i Ray Masina François ! Mandrapihaona vetivety !!!

FITADIAVAM-BOLA HO AN'NY PAROASY SY ASPIRANTAT

FITADIAVAM-BOLAN’NY PAROASY

Hanafatra Mpihira Gasy malaza isika hanao fampisehoana ny Sabotsy 17 jiona izao, izay hatao ao amin’ny tokontanin’ny Sekoly Saint-Joseph:

RAPAULSON avy ao Fenoarivo gara sy RAMAROSON avy ao Soanierana be

Manomboka amin'ny 10ora atoandro ny fotoana!

HERY LEHIBE HO ANAY KRISTIANINA REHETRA NY FAHATONGAVANAO!!!!

FETIN’NY TRINITE MASINA

“Ankalazaina anie ny Trinite Masina”

Ny Pretra tompom-paritany, ny Pretra Mpanabe sy ny tanora Aspirants beazina ao amin’ny Aspirantat Sacré-Coeur Avaradrova Ambatondrazaka dia manasa antsika rehetra hifanotrona amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny HIRA GASY MA NETRIKETRIKA izay ataon’ireo tanora miofana ho pretra sy ho relijiozy ny Alahady 11 jiona amin’ny 02 ora folak’andro tsy diso.

Eo an-tokontanindy Mompera toy ny mahazatra no hifamotoana amin’izany isika!!!

Aza hadino fa mialohan’izany, mandritra ny Lamesa maraina dia hanokana rakitra ho fanohanantsika azy ireo isika iray Fiangonana.

Alao hery ary fa ny  “Taon-trano tsy vitan’ny irery ary ny asa vadi-drano tsy vita raha tsy ifanakonana”!!!

Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article