Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
PAROISSE SACRE-CŒUR - AMBATONDRAZAKA

Vaovao mahafinaritra ! Mba hahafahantsika miserasera hatrany na eto an-toerana isika na any lavitra dia nosokafana ny Blog « Paroisse Sacré-Cœur Avaradrova – Ambatondrazaka – Madagascar ! Hararaotina ny andro anio Alahady 08 mai 2016, anokafantsika azy mba hiombonantsika amin’ny Fiangonana maneran-tany izay manokana ity andro anio ity ho « ‘ANDRON’NY SERASERA » ! Araka izany, Manasa antsika rehetra kristianina tsy vakivolo àry, hijery sy hamangy ny Site-ntsika mba : - hifaneraserana sy hifampilazana vaovao - Hifampilazana ny toro-hevitra mety hahasoa sy hanatsarana ny Fiangonantsika ary - Hiainana sy handraisana anjara feno tanteraka amin’ny Fiainam-Piangonana na dia tsy eto an-toerana aza isika! Aza hadino koa ny mamangy sy mampiaina ilay “Compte FaceBook”-ntsika: 1. Zanaka am-pielezan’ny Paroisse Sacré-Coeur Avaradrova Ambatondrazaka 2. Paroisse Sacré-Coeur Avaradrova Ambatondrazaka izay hosokafantsika koa hanamora ny fanarahantsika ny fiainam-piangonana isan’andro ! Dia samia àry mamelona sy mampiaina ireo Sites-ntsika ireo isika rehetra ho an’ny « Nouvelle évangélisation » araka ny fangatahan’i Ray Masina François ! Mandrapihaona vetivety !!!

FANKALAZANA NY PANTEKÔTY 2017

FANKALAZANA NY PANTEKÔTY ! 

HASIVIN’ANDRO HO AN’NY FIRENENA.

Araka ny sori-dalana nomen’ny Fiombonam-ben’ny Eveka eto Madagasikara, manao Hasivinandro amin’ny alalan’ny Vavaka ho an’ny FANDRIAM-PAHALEMANA isika. Efa miditra amin’ny andro faha-6 na faha-5 andro (ho an’izay tsy naharaka) alohanny fankalazana ny Pantekôty izany!

FIARAHA-MANKALAZA NY “ANIVERSERA”-N’NY FIANGONANA

Toy ny mahazatra :

  • TAKARIVAN’NY FANAHY MASINA: fiomanam-panahy iarahan’ny Fiangonana rehetra izay atao ny sabotsy 03 jiona amin’ny 06 ora hariva eo an-tokontanin-dry Mompera. Mandray anjara hira avokoa ny Fikambanana, Vaomieran’asa, Ankohonam-piainana rehetra et amin’I Paroasy. Ny fara-fanaterana ny tononkira ao amin’I Mompera dia ny alakamisy 01 jiona izao!
  • Tsy miova ny oran’ny lamesa,
  • Alatsinainin’ny Pantekôty: eny amin’ny sahan-dry Mompera, eny Antsahamarova no ifamotoana isika! Mahazo manantena isika fa hisy ireo kilalao maro hampiala voly antsika!

Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article