Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
PAROISSE SACRE-CŒUR - AMBATONDRAZAKA

Vaovao mahafinaritra ! Mba hahafahantsika miserasera hatrany na eto an-toerana isika na any lavitra dia nosokafana ny Blog « Paroisse Sacré-Cœur Avaradrova – Ambatondrazaka – Madagascar ! Hararaotina ny andro anio Alahady 08 mai 2016, anokafantsika azy mba hiombonantsika amin’ny Fiangonana maneran-tany izay manokana ity andro anio ity ho « ‘ANDRON’NY SERASERA » ! Araka izany, Manasa antsika rehetra kristianina tsy vakivolo àry, hijery sy hamangy ny Site-ntsika mba : - hifaneraserana sy hifampilazana vaovao - Hifampilazana ny toro-hevitra mety hahasoa sy hanatsarana ny Fiangonantsika ary - Hiainana sy handraisana anjara feno tanteraka amin’ny Fiainam-Piangonana na dia tsy eto an-toerana aza isika! Aza hadino koa ny mamangy sy mampiaina ilay “Compte FaceBook”-ntsika: 1. Zanaka am-pielezan’ny Paroisse Sacré-Coeur Avaradrova Ambatondrazaka 2. Paroisse Sacré-Coeur Avaradrova Ambatondrazaka izay hosokafantsika koa hanamora ny fanarahantsika ny fiainam-piangonana isan’andro ! Dia samia àry mamelona sy mampiaina ireo Sites-ntsika ireo isika rehetra ho an’ny « Nouvelle évangélisation » araka ny fangatahan’i Ray Masina François ! Mandrapihaona vetivety !!!

PROGRAMAN'NY SAKRAMENTA

SAKRAMENTA

RECOLLECTION HO AN'NY MPIOMANA

  • Alahady 04 jiona manomboka amin’ny 09 ora maraina: recollection ho an’ireo ankizy hanao ny Komonio voalohany iarahana amin’ i Père Joseph. Toerana: Paroasy Sacré-Coeur.

  • Recollection ho an’ireo hanao ny Fanavaozana ny Toky tamin’i Batemy: Alahady 11 jiona manomboka amin’ny 09 ora maraina miaraka amin’i Père François eny amin’ny Katedraly Trinite Masina.
  • Alahady 18 jiona, FETIN’NY SAKRAMENTA MASINA: hanao “Procession” miainga avy any Antsahamasina, hizotra ambara-pahatonga aty amin’ny Paroasy Sacré-Coeur isika. Manomboka amin’ny 03 ora folak’andro ny fotoana!

  • Manomboka ny fisoratana anarana ho an’ny Batemin-jaza izay hatao amin’ny Talata 15 Août , andro Fankalazana ny Assomption! Izany dia mifarana ny 22 jolay. Ny fiofanana dia hatao ny 23, 30 jolay sy ny 06, 13 Août 2017 .
Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article